<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P. Nilsen-Lund</author>
<hymn_number>329</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Saotra, dera, no homena
 Ho Anao Mpanavotray,
 Hianao manetry tena
 Mba hanandratra anay.
 Mba tariho Tompo ô !
 Ny fanahy sy ny fo ;
 Tianay ny hiara-dia
 Aminao ka tsy hania.

[V2]
 Raha ory sy mijaly
 Eto aza izahay,
 Tsy ho kivy, fa hifaly
 Amin'ny anjaranay.
 Hianao ry Tomponay,
 No mba iankinanay,
 Ka inoanay homena
 Ho anay ny famonjena.</lyrics>
<title>Saotra, dera, no homena FFPM329</title>
</song>